
Tsy nanadino ary tsy namela irery ireo ankizy taizana ao amin’ny akany fitaizana zaza kamboty (orphélinat) ao Ambatolampy ireo lehiben’ny polisim-pirenena, notarihin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny “contrôleur général de police”, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, sy ny vadiny. Nidina tany an-toerana izy ireo nitondra fanomezana ho an’ireto zaza kamboty ireto ho fanehoana amin’izy ireo fa na kamboty sy lavitra ny fianakaviana aza ireo ankizy, misy hatrany ireo ray aman-dreny mitaiza azy ireo. Nahazo bodofotsy sy vary ary harendrina avy amin’ny MSP ireo ankizy. Tsy nandeha irery anefa ireo lehiben’ny polisy fa misy koa ireo mpiara-miasa hafa toy ny Fivapova avy ao amin’ny “commissariat central” nitondra fanampiana, toy ny sakafo sy ny akanjo ary ny kojakoja maro samihafa hanampiana ny ankizy amin’ny fiainany andavanandro. Tao koa ny sampana Soatia, nanome arovava sy lamba firakotra. Tsy nanadino azy ireo ny depiote voafidy tao Ambatolampy nanome baolina ho an’ireo ankizy. Marihina fa miisa 69 ireo ankizy taizana ao amin’ity akany fitaizana zaza kamboty an’ny polisim-pirenena ao Ambatolampy ity.
Jean Claude
Les commentaires sont fermées.