Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Morafeno – Toamasina: lasan’ny jiolahy ny 10 tapitrisa Ar

Tokantrano iray, nidiran’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny fokontany Morafeno ambadiky ny hopitaly manara-penitra. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, tokony ho tamin’ny 10 ora alina anatin’ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina no nitrangan’ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 10 tapitrisa Ar sy fahitalavitra ary telefaonina finday avolenta. Araka ny fitantaran’ny niharam-boina, nisy fiarakely iray efa vonona niandry ireo jiolahy taorian’ny fanafihana. Tsy vitan’izay fa mbola nanapoaka basy ry zalahy ary nosakanan’izy ireo kalesa ihany koa ny lalankely mba hampanano sarotra ny fanenjehana azy ireo. Tao amin’ny fokontany Dépot koa, jiolahy tsy latsaky ny 15 lahy ka ny roa nitondra basy raha antsy lavalela kosa no nentin’ireo namany hafa. Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa tokantrano miisa efatra tao amin’ity fokontany ity no indray norobain’ireo jiolahy, tamin’io alina io. Entana mitentina antapitrisany maro no lasan’ireo mpanafika. Tsy misy fiantraikany amin’ny fampandriana fahalemana ao Toamasina ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina fa toa zary mampanjaka ny asan-jiolahy indray aza izany, raha ny fanazavan’ireo mponina any an-toerana.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.