Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny polisy miasa ao Miarinarivo, ny zoma teo, ny jiolahy iray tompon’antoka amina fanolanana zazavavikely 13 taona. Taorian’ny fitoriana napetraky ny renin’ilay niharam-boina any amin’ny polisy ny nahafahana nanenjika ity nahavanon-doza ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Nanokatra avy hatrany fanadihadiana ny polisy ao Miarinarivo manoloana izany. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy ka nolazainy tamin’izany fa efa fanindroany izao izy nanolana zaza tsy ampy taona toy izao. Nambaran’ny polisy fa mbola ao anatin’ny fitiliana ny fahasalaman’ilay niharam-boina ny dokotera ka anio ny voatondro hanolorana ity jiolahy ity ny fitsarana.

Les commentaires sont fermées.