Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CCO – Tsy voahaja ny toromarika, mirongatra ny Covid-19: “Hiafara amin’ny fisamborana ny tsy fanarahana fepetra”

CCO – Tsy voahaja ny toromarika, mirongatra ny Covid-19: “Hiafara amin’ny fisamborana ny tsy fanarahana fepetra”

Vaky vava ary niaiky ny eo anivon’ny CCO nasionaly fa tena nivaha sy goragora ny fanarahana ny fepetra manoloana izao ady atao amin’ny Coronavirus izao. Nandrangaranga avy hatrany izy ireo fa ho henjana amin’izay ny sazy.

« Mety ho tonga amin’ny fisamborana ireo rehetra tratra tsy manaja ny fepetra. Miankina betsaka amin’ny hevitry ny mpitandro filaminana anefa ny fampiharana io na tsia. Anjaran’izy ireo ny mampihatra ny lalàna. Manome toromarika fotsiny izahay », hoy ny mpandrindra nasionaly ny CCO, ny Jly Andriankaja Elack Olivier, omaly.

Nahatsikaritra izy ireo fa tsy mametraka intsony aron-tava ny ankamaroan’ny olona mivoaka ny trano: mandeha miasa, miantsena na mianatra.

Nirongatra ny Covid-19 eto Analamanga

Tsy voahaja ny elanelana iray metatra fa mitangorona sy mifanesika etsy sy eroa ny ankamaroan’ny olona. Eny ivelan’ny birao na tsena na koa ireo toerana rehetra mety hahamaro ny olona. Ny any anaty fiara fitaterana, iraisana na an’olon-tsotra, efa samy manao ny tiany hatao. Tsy manaja elanelana sy ny aron-tava…

Etsy andaniny, voamarika fa niakatra be sy nirongatra ny tahan’ny fifindran’ny valanaretina tato ho ato, indrindra ho an’ny eto Analamanga. Miisa 115 izany tao anatin’ny roa andro fotsiny.

Ho henjana ny sazy…

Nandrangaranga, noho izany, ny eo anivon’ny CCO fa mety ho henjana kokoa, manomboka anio, ny sazy ho an’ireo rehetra tsy manao aron-tava. « Efa tsy mandaitra intsony ilay asa miteraka tombontsoa ho an’ny daholobe, toy ny fanadiovana lalana sy ny tsena… », hoy ihany izy ireo. Andrasana ny vokatry ny fivoriana miaraka eo anivon’ny CCO sy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana.

Ankoatra izany, mbola andrarahana fanafody avokoa ny taxi-be miasa eto an-dRenivohitra. Manomboka amin’ny 11 ora ary mifarana amin’ny 5 ora hariva izany amin’ireo toerana efa fanaovana izany. Tsy manana intsony “gel désinfectant” kosa anefa izy ireo. Anjaran’ny mpandeha ny mampiasa raha nivatsy.

Vonjy sy Synèse R.

Les commentaires sont fermées.