Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Hitan’ny polisy ao Besalampy omaly maraina, ilay moteran-tsambo nisy nangalatra. Very ny alatsinainy teo, ity moteraYamaha mitondra tanjaka 60Cv nitondra ireo mpampiofana avy amin’ny fiangonana katolika iray ao Besalampy. Tsy hita izay nanjavonan’ilay motera ka nanao izay ho afany ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’i Besalampy (CSP), niaraka amin’ny fokonolona, nanao ny fikarohana rehetra.

 

Tovolahy iray vao 19 taona namoy ny ainy, nianjera avy eny ambony moto, teny Fonenana Imerintsiatosika, ny asabotsy teo. Fantatra fa hoe nanao taingin-telo niaraka amin’ny namany  ity tovolahy namoy ny ainy ity. Nisongona kamiao iray ilay moto kanjo nifanehatra tamin’ny fiara Sprinter iray. Teo no nitranga ny loza ary izao niafara tamin’ny fahafatesana izao.

Les commentaires sont fermées.