Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha bonbon 8 miliara Ar” – Minisiteran’ny Fanabeazana: tompon’andraikitra ambony maromaro nohadihadina

“Raharaha bonbon 8 miliara Ar” – Minisiteran’ny Fanabeazana: tompon’andraikitra ambony maromaro nohadihadina

Hatramin’ny ora farany nanoratana, omaly, mbola tsy fantatra ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana eo anivon’ny Pôle anti-corruption (PAC), mikasika ireo tompon’andraikitra ambony maromaro, ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, nohadihadina nanomboka afakomaly, nitohy hatry ny omaly.

Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha, afakomaly sy omaly ireo tompon’andraikitra ambony  maromaro eo anivon’ny fitantanana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Anisan’ny namotopotorana azy ireo ilay « Raharaha bonbon valo miliara ariary », anisan’ny nampitsaharana ny minisitra teo aloha, tamin’ny andraikiny ny 4 jona teo.

Nandalo teny amin’ny Bianco

Niteraka resabe teto amin’ny firenena io raharaha iray io. Nambara fa natao hisotroan’ny mpianatra manerana ny Nosy ny tambavy CVO noho izy io somary mafaitra mangidy. Efa ao amin’ny minisitra etsy Anosy ireo vatomamy ireo.

Efa natsidiky ny minisitra mpisolo toerana vonjimaika, i Assomacou Elia Béatrice tamin’ny fihaonany amin’ireo loholona tetsy Anosikely, ny herinandro teo fa efa nalefa any amin’ny Bianco ny momba io vatomamy novidina hatrany amin’ny valo miliara ariary io. Teo koa ny avy amin’ny mpisafon-draharaha ny asam-panjakana.

Tale isan-tokony voasaringotra

Nalefan’ny Bianco eny amin’ny fampanoavan’ny Pac izany, tamin’ity herinandro ity ary izao nirosoana izao ny fanadihadiana sy ny famotorana lalina.

Iza no mety ho voasaringotra amin’ireo tale isan-tokony na tompon’andraikitra ambony mety ho tao ambadik’izao raharaha izao ? Andrasana ny ho vokatr’izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.