Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa: nitsidika ny Seg ny ambasadaoro japoney

Fiaraha-miasa: nitsidika ny Seg ny ambasadaoro japoney

Nanao fitsidihana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, ny ambasadaoron’i Japon miasa sy monina eto amintsika, i Higuchi Yoshihiro, teny Betongolo, afakomaly. Nodinihin’ny roa tonta tamin’izany ny fampahalalana ny momba ny zandarimaria sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandarimaria sy ny masoivoho japoney. Nohamafisin’ny ambasadaoron’i Japon hatrany fa manana tetikasa maro i Japana izay iarahana miasa toy ny fiarovana ny orinasa Ambatovy satria ny Japoney no tena mamatsy vola be indrindra ao ka mba hiverenan’ny asa rehetra ao rehefa tapitra ny fisian’ity valanaretina Coronavirus ity. Fantatra ihany koa, nandritra izao fihaonana izao, fa mety hisy ihany ny zandary hanao fiofanana any Japon. Nambaran’ny Seg kosa fa matotra ny fiaraha-miasa amin’i Japon ary manamafy hatrany ny fifandraisana diplomatika amin’ireo firenena miara-miasa amintsika, indrindra ny zandarimariam-pirenena. Tsy vao izao rahateo fa efa maro ireo firenen-dehibe nanamafy hatrany ny fifandraisana tafika eo amin’ny zandarimariam-pirenena malagasy.

J.C

Les commentaires sont fermées.