Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fonjan’Ambatolampy: gadra roa hita ny misy azy

Efa fantatra ny toerana misy an’ireo gadra roa hafa nitsoaka ny fonjan’Ambatolampy, ny alatsinain’ny pentekoty teo. Efa voamarina fa any atsinanan’Antanifotsy no misy azy ireo, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fonja any an-toerana, ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana, ankehitriny. Tsy ela akory fa vao tamin’ny herinandro teo no voasambotry ny fokonolona tao Antanifotsy, toerana fiaviany i Andy, isan’ireo voafonja nitsoaka. Ity farany izay nifanenjehan’ny fokonolona, fotoana fohy vao nandaozan’ireo mpitandro filaminana an’Antanifotsy.

Tsiahivina fa miisa enina ireo gadra tafaporitsaka ny fonjan’Ambatolampy, ny 1 jona teo ka nahitana mpiray tampo telo mirahalahy izy ireo. Ireo voafonja ireo izay mbola natoka-monina tamina efitra iray ho fanarahana ny fepetra fiarovana amin’ny Covid-19. Vao naiditra am-ponja vonjimaika avokoa tamina raharaha halatr’omby, fikambanan-jiolahy ary fanafihana. Taorian’ny fitsoahan’izy ireo ny fonja, namoahana didy fikarohana izy ireo ka tratra tamin’izany ny lehilahy iray.

Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.