Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisolokiana avolenta: vehivavy roa namoahan’ny zandary filazana fikarohana

Fisolokiana avolenta: vehivavy roa namoahan’ny zandary filazana fikarohana

 

Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny didy fikarohana renim-pianakaviana roa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, sampana fikarohana heloka bevava eny Fiadanana. Tsy iza ireo olona roa ireo fa Ramboarivelo Norotiana, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Jeannoda sy i Phan Van Hien Noelivao Olga. Toy izao ny mombamomba an-dRamboarivelo Norotiana na i Jeannoda, teraka tamin’ny 26 janoary 1972 tao Befelatanana, zana-dRamboarivelo Jocelyn sy Ravoniarivelo Voahangy, tompon’ny kara-panondro laharana 101 232 090 916, duplicata ny 19/08/08 tao Ambohimangakely. Adiresy farany nahitana azy tao amin’ny Lot G III 33 Q Ter Soamanandrariny. Antony hikarohan’ny zandary dia noho ny fisolokiana avolenta.

Melohin’ny lalàna ny firaisana tsikombakomba

Toy izao kosa indray ny mombamomba an’i Phan Van Hien Noelivao Olga. Teraka tamin’ny 28 desambra 1958 tao Antsirabe, zanak’i Phan Van Hien sy Razanajafy Marthe, tompon’ny kara-panondro laharana 108 992 045 468, ny 6 oktobra 1978 tao Antsirabe I. Adiresy farany nahafantarana azy dia tao amin’ny 304 B 180 Antsongo Mahazoarivo Avarabohitra. Antony hikarohana azy koa ny fisolokiana avolenta. Nanamafy ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Lt Kly Ravelomanana Tahina mba hampandre haingana ny zandary avy hatrany raha mahita ireto olona namoahana didy fikarohana ireto na hiantso ny zandary amin’ny laharana 034 14 006 17. Melohin’ny lalàna ny firaisana tsikombakomba na manafina olona efa namoahana didy fikarohana toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.