Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matsiatra Ambony: mila “passeport”  izay mivezivezy anatiny sy ivelan’ny faritra

Roa ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 sy manaraka fitsaboana ao Fianarantsoa. Mitoka-monina sy arahi-maso avokoa ny olona nifampikasoka tamin’ireo marary roa ireo, araka ny tatitra nivoaka avy amin’ny fivorian’ny mpiandraikitra ny CCO Matsiatra Ambony sy ny sefo fokontany tany an-toerana. Ho fitandroana ny tsy fiparitahan’ny valanaretina ao anatin’ny faritra, tapaka fa hanangana komitin’ny fahamehana ny isam-pokontany ary hiara-kiasa amin’ny mpanentana eny ifotony. Hanara-maso ny fivezivezen’ny mponina sy mandamina ny olana sosialy mifandraika amin’ny fisian’ny olona ahina ho mitondra ny tsimokaretina ny komity isam-pokontany. Hamafisina koa ny fifehezana ny fidirana sy fivoahana anatiny sy ivelan’ny faritra. Tsy maintsy manana “passeport” ny olona tsirairay hivezivezy ao anatiny sy ivelany ary tsy mahazo miditra sy mivoaka koa raha tsy nahazo fahazoan-dalana manokana. Ny mpitondra razana, fiara miaraka amin’ny marary, mpiasa hamita iraka ary manana fahazoan-dalana mazava no afaka miditra sy mivoaka. Tsy mbola misokatra koa ny toerana mety hampivangongo olona maro ao anatin’ny faritra, araka ny fanambarana.

Hanara-maso tsy tapaka ny fanajana fepetra ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy. Hisy sazy mety hiafara amin’ny fampiharana fehezan-dalàna famaizana ho an’ireo minia mandika ny lamina napetraka.

Vonjy           

Les commentaires sont fermées.