Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valanjavaboary Isalo: sahirana ireo mpiasa 450 mivelona amin’ny zahavoary

Valanjavaboary Isalo: sahirana ireo mpiasa 450 mivelona amin’ny zahavoary

Nikatona ho an’ny mpitsidika rehetra ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks (MNP) manerana ny Nosy, nanomboka ny 23 marsa noho ny hamehana ara-pahasalamana, vokatry ny valanaretina Coronavirus. Kaominina anisan’ny mivelona amin’ny zahavoary ny ao Ranohira, faritra Ihorombe noho ny fisian’ny valanjavaboary ao Isalo. Mampiasa olona tsy latsaky 250 ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana 28 ao an-toerana mandray ireo mpitsidika mandavan-taona. Tsy vitsy ireo tompon’ny toeram-pandraisana no nampitsahatra ny asany tanteraka, tao ireo nampihena ny isan’ny mpiasa sy ny ora hiasana fotsiny. Sahirana koa ny mpitari-dalana sy mpitondra entana 200 rehefa niato ny asa rehetra manodidina ny zahavoary ao Isalo. Nisy mihitsy no voatery nivarotra fananana vokatry ny krizy.

Tojo olana koa ny mpitantana mivantana ny valanjavaboary amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisian’ny mpitsidika. Nandritra ny volana mey sy jona taona 2019, nahatratra 4 911 ny isan’ny mpitsidika ny valanjavaboary tao Isalo ary nitondra vola nanaovana asa betsaka, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny MNP, dokotera Rakotoarijaona Mamy. Na eo aza ny olana ara-bola samihafa, ny asa fikoloana sy fikarakarana ny valanjavaboary mitohy hatrany ka ho vonona handray mpitsidika ny ao Isalo rehefa vita ny hamehana, araka ny voalazan’ny mpitantana ny zahavoary ao an-toerana, Rambeloson Yves.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.