Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fizarana Tosika fameno: nandray anjara koa ny ACF sy ny Care

Vokatry ny famatsiam-bola avy any amin’ny Vondrona eoropeanina, nisahana ny fizarana ny Tosika fameno ho an’ny tokantrano sahirana ny Action contre la faim sy ny Care izay samy mpisehatra amin’ny fanohanana ny maha olona. Nitily ifotony ny ankohonana hisitraka ny lelavola 100 000 Ar, mandritra ny roa volana misesy izy ireo. Nanaraka ny fepetra napetraka amin’ny faharefoana ara-toekarena sy eo amin’ny andavanandro ny asa fitiliana ka ireo tsy manana fidiram-bola maharitra isam-bolana fa manao asa an-tselika no laharam-pahamehana. Niasa amin’ny fokontany 14 ao anatin’ny boriborintany I- IV-VI ny fikambanana roa ary ahitana tokantrano 15 341 handray ny vola. Niara-niasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izy ireo nanatanteraka ny fandraisana ny anaran’ny mpisitraka hampangarahara ny dingana rehetra. Napetraka ny laharana maitso hahafahan’ny olona mitondra fitarainana manoloana ny fizarana ny tosika fameno. Efa tontosa ny faran’ny herinandro teo teny Ampefiloha, Mahamasina ary Antanimena ny fandoavana ny lelavola andiany voalohany.

Vonjy A.            

Les commentaires sont fermées.