Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hisy ny sidina manokana: hampodiana ireo teratany malagasy sahirana taraiky any ivelany

Nanapa-kevitra ny fanjakana malagasy fa hampody ireo teratany malagasy ianjadian’ny fahasahiranana any amin’ireo firenen-kafa ao anatin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenen-drehetra maneran-tany izao.

Hametraka haingana, araka izay azo atao, ny rafitra sy ny rindran-damina ahafahana mitatitra ireo teratany malagasy ireo, araka izany, ny tompon’andraikitra rehetra, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

Miaina zava-tsarotra ireo Malagasy tavela any ivelany ireo. Voaroaka tamin’ny asany, tsy manana trano fonenana, mipetraka amin’ny akany, tsy manan-kohanina ary lasa vesatra maharitra ho an’ireo masoivoho sasany mihitsy aza.

Handraisana fepetra hentitra ny fampodiana azy ireo raha ny tatitra hatrany. Ao anaty filaminana sy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana tanteraka ny handraisana azy ireo eto an-tanindrazana. Mihiboka mandritra ny fotoana maharitra ahafahana manara-maso ny fahasalamany hifehezana ny aretina Covid-19.

Tandrovina fatratra ary atao laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny olom-pirenena rehetra mipetraka eto Madagasikara ka tsy ireo avy any ivelany indray no hamoa-doza toy ny nidiran’ny aretrina eto tany am-piandohana.

Anarivony mahery ireo teratany malagasy miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra ary mahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha mihitsy aza, voasoratra anarana ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny eto an-toerana.

Nanamarika ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa tsy midika velively ho fisokafan’ny sidina ana habakabaka akory ny fampodiana manokana ireo teratany malagasy eto an-tanindrazana. Mbola manan-kery avokoa ireo fepetra napetraka mikasika ny fikatonan’ny habakabak’i Madagasikara.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.