Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady totohondry-Maneran-tany: tsy tafiditra amin’ny 10 voalohany i Mike Tyson

Ady totohondry-Maneran-tany: tsy tafiditra amin’ny 10 voalohany i Mike Tyson

Nivoaka, ny faran’ny herinandro teo, ny filaharana maneran-tany ireo mpanao ady totohondry mendrika indrindra. Fahagagana ny an’ny rehetra fa tsy tafiditra tao anatin’ireo 10 voalohany mendrika indrindra i Mike Tyson. Izy izay nanandrana mbola nifaninana tamin’ny fifaninanana farany, teo amin’ny faha-53 taony. I Mike Tyson ihany koa no nahazo ny tompondaka tanora indrindra tamin’izany fotoana izany satria vao 20 taona monja izy nefa nibata ny fandresena. Ankoatra an’i Mike Tyson, tsy isan’ireo 10 mendrika indrindra ihany koa i Holyfield, i Rocky ary i Roberto. Araka ny filaharana, i Floyd Mayweather, nahazo fandresena in-21 nisesy no mitàna ny laharana voalohany. I Manny Pacquiao kosa ny faharoa raha toa ka ilay teratany argentin, i Carlos Monzon, ny fahatelo.

Mi.Raz

Ireo mpanao Boxe mendrika indrindra maneran-tany:

1-Floyd Mayweather

2-Manny Pacquiao

3-Carlos Monzon

4-Muhammad Ali

5-Sugar Ray Robinson

6-Bernard Hopkins

7-Joe Louis

8-Archie Moore

9-Oscar de la Hoya

10-Julio César Chávez.

 

Les commentaires sont fermées.