Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zon’ny ankizy : mpanohana ny hetsika Mirado sy Nui Raza

Zon’ny ankizy : mpanohana ny hetsika Mirado sy Nui Raza

Mpanohana ny Unicef amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara i Mirado sy Niu Raza samy mpanankanto mpihira, araka ny fampitaom-baovao tamin’ity herinandro ity. Vonona izy ireo hitondra ny feon’ny ankizy, indrindra amin’ny fanentanana mampiasa ny teknolojia vaovao. Mpanakanto tanora fantatry ny maro eto Madagasikara i Mirado, raha any Etazonia kosa no monina sy mitrandraka ny kantony i Nui Raza. Tanora roa be mpanaraka izy ireo amin’ny tambajotra sosialy ka hampiasainy hivoizana fanentanana momba ny zon’ny ankizy izany sy hamantarana ny olana sedrain’ny kilonga. Hitondra fanantenana ho an’ny tanora sy ny ankizy mitovy amin’izy mianadahy ny hevitra hozarainy momba ny fanabeazana, fahasalamana, fiarovana amin’ny herisetra…, hoy ny solontenan’ny Unicef, Michel Saint-Lot.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.