Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: handrivotra be any avaratry ny Nosy

Toetr’andro: handrivotra be any avaratry ny Nosy

Miverina indray ny rivotra mahery mahatratra 50 hatramin’ny 60km/ora, izay arahina tafiotra any amin’ny manodidina ny morontsiraka eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Sambava, manomboka anio hatramin’ny alatsinainy 8 jona  izao. Noho izany, iangaviana ny mpampiasa ranomasina amin’ireo toerana ireo mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony ary tsy hivezivezy eny an-dranomasina mba hisorohana ny loza.

Hiakatra amin’ny ankapobeny ny maripana ambany anio. Hidina tsikelikely izany, roa na  telo andro manerana ny Nosy. Hidina tsikelikely ny maripana ambony ao anatin’ny telo andro ho avy.

Ho an’ny eto Antananarivo, manodidina ny 11°C hatramin’ny 23°C ny maripana. 11°C hatramin’ny 20°C kosa any Antsirabe.

Anio tontolo andro, hirotsaka ny orana any Analanjirofo, Atsinanana ary Vatovavy-Fitovinany raha toa ka handrahona mety harahina erika ny afovoan-tany. Ho maina ny andro amin’ny faritra sisa.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.