Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpikamban’ny Vovonana HINA: manampy miady amin’ny Coronavirus 

Mandray anjara amin’ny fanentanana sy asa mivantana tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus amin’ny faritra misy azy avy ny mpikambana samihafa amin’ny Vovonana hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina) misehatra amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo. Ho an’ny consortium des jeunes  Vonona any amin’ny faritra Melaky izay mpikambana ao amin’ny Hina, nizara arovava 100 ho an’ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana izy ireo ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny ankizy. Nitarika ny hetsika ny filohan’ny fikambanana Antenainkaja Christinson. Tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony, nanolotra fanampiana fitaovana (fitsapana hafanana, saron-tava, gel) ho an’ny CHU Manara-penitra Andrainjato ny Association CEDII izay ivontoeram-panovozan-kevitra sy vaovao. Nanome tanana ny CCO tao an-toerana ny mpikambana maromaro : Vozama, Fivoy, Fiantso, Haonasoa namolavola drafitra hitondrana ny fampitam-baovao momba ny fivoaran’ny Covid-19 ka hozaraina amin’ny vahoaka. Ankoatra ny fanentanana, nizara fitaovana fanasana tanana tamin’ny fokontany tao anatin’ny faritra ny fikambanana Fivoy. Napetraka amin’ny fokontany Anjoma Ambalavao, Andranovorivato… ny sinibe mavo miaraka amin’ny savony ahafahan’ny mponina manasa tanana tsy tapaka. Ny fikambanana Vozama kosa namendraka fanafody ny sekoly ary nizara saron-tava ho an’ny mponina. Nitondra vary ho an’ny faritra Matsiatra Ambony koa ny fikambanana Vonjeo ny zaza malagasy.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.