Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 

 Namoaka filazana manokana ho an’ireo mpandray fisotroan-dronono ny  tahirim-bolam-panjakana. Ho an’ireo mpandray fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny « virement bancaire » dia tokony hanatitra ny « certificat de vie » eny amin’ny « Paierie générale » eny Antaninarenina ho an’ity  volana jona ity, ny alakamisy 11 sy  zoma 12 ary ny zoma 19 jona izao. Tsy misy fandraisana « certificat de vie » ao amin’ny PGA Antaninarenina, ny alatsinainy 15 jona  sy ny alakamisy 18 jona.

 

Natao omaly teny Ankadifotsy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny talen’ny CNTEMAD teo aloha, i Jean Jacques Rakotoarisoa  sy ny tale vaovao, i Josa Augustina Jaonary taorian’ny fanendrena notapahin’ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny 27 mey lasa teo. Efa miparitaka amin’ny faritra maro ny CNTEMAD ary mamampy betsaka ireo tanora sady miasa no mianatra ary misy ny lalam-pihofanana ho an’ireo efa am-perinasa indrindra koa.

 

 

 

Les commentaires sont fermées.