Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetin’ny Fahaleovantena: maro ny mpivarotra fa vitsy ny mpiantsena

Fetin’ny Fahaleovantena: maro ny mpivarotra fa vitsy ny mpiantsena

20 andro sisa dia higadona ny fetin’ny Fahaleovantena. Efa mivolon’andro fety  ny  eny an-tsena na dia ao anatin’ny fihibohana amin’ny ampahany aza ny fiainan’ny mponina ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.

Mbola mangina ny tsena, raha  ny filazan’ny mpivarotra. Efa tonga kosa ny karazan’entana avy any Chine, amidy eny an-tsena toy ny harendrina sinoa, mozika, tsipoapoaka, kilalao mirehidrehitra misarika ny mason’ny ankizy…

Niakatra ny vidin’entana raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny filazan’ny mpivarotra hatrany. Manararaotra ny fahasarotan’ny fiainana ny mpamongady fakana entana ka mampiakatra  izany.

Any amin’ny herinandro mialohan’ny fety mihitsy ny olona vao tena miantsena, raha ny traikefa efa  mahazatra ny mpivarotra. Fandefasana entana any amin’ny faritra kosa no tena hatao  amin’izao.

Manahy ny fatiantoka anefa ny mpivarotra manoloana ny fahasahiranana iarahan’ny tokantrano mizaka amin’izao vanim-potoana  mampikatso ny firenena izao. Aleon’ny olona mividy  sakafo toy izay mividy ireo karazana aingitraingitra sy kilalao.

Ny sekoly tsy mbola misokatra, tsy misy hetsika mandeha eny amin’ny fiarahamonina kanefa  ireo mpanao asa soa mizara harendrina ho an’ny ankizy any an-tsekoly sy anaty fikambanana no tena mpanjifa mahafatra-po.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.