Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Trano iray teny Soavimbahoaka no may, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 11 ora. Raha ny fanazavan’ny manodidina, tsy fantatra ny nahatonga ny fahamaizana. Ny afo sy ny setroka niakatra no nanaitra ny mponina teny an-toerana., may nandritra ny loza ny efitra roa sy lakozia iray, hoy ny loharanom-baovao. Tsy niitatra tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina izany vokatry ny fahatongavan’ny mpamono afo.

Kamiao iray, nandona tranon’olona, amoron-dalana teo amin’ny fiholahan’ny lalanan’i Moramanga, omaly. Olona miisa telo, indray namoy ny ainy tamin’izany. Ankoatra izay, olona iray hafa koa mbola nosokirina tao ambanin’ilay kamiao taorian’ny loza. Ity farany izay maty teo no ho eo ihany koa.

Lehilahy iray koa maty tsy tra-drano teny amin’ny lalan’i Tsarasaotra, afakomaly manodidina ny tamin’ny 07ora sy 30 mn hariva. Izy izay nitondra moto ka nofaohina fiara nandeha mafy ary nianjera avy hatrany.

Les commentaires sont fermées.