Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: anaty ririnina ny eto Madagasikara

Namoaka ny vinan’ny toetry ny andro eto Madagasikara ao anatin’ny telo volana misesy (jona, jolay ary aogositra) ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly. Fantatra tamin’izany fa efa ao anaty ririnina tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Hafana kokoa ny faritra Melaky, Menabe ary Atsimo Andrefana. Hanodidina na hanan-tombo kokoa noho ny tokony ho izy ny hafanana any Diana, Sava, Analanjirofo, Boeny, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Ihorombe, Anosy ary Androy.

Hanodidina na hidina kely noho ny tokony ho izy kosa izany any amin’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.

Ho an’ny telo volana ho avy, hihena noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsak’orana any amin’ny faritra Melaky, ny tapany avaratry ny faritra Bongolava, ny faritra Menabe, Atsimo Andrefana, ny ilany andrefan’ny faritra Ihorobe ny tendrony avaratry ny faritra Anosy.

Hanodidina na hihena kely noho ny tokony ho izy izany any Diana, Sava, Sofia, Boeny, Betsiboka, Analanjirofo, ny tapany avaratry ny faritra Alaotra  Mangoro sy Analamanga, ny tapany atsimon’ny faritra Bongolava, ny ilany andrefan’ Itasy, ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Androy, ny ilany atsinanan’Ihorombe, any atsimon’ny faritra Anosy.

Marihina fa ny salanisa amin’ny sandan’ny maripana sy ny tahan’ny rotsak’orana tanatin’ny 30 taona mifanesy (1981-2010) no nakana ny fanombanana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.