Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Federasiona malagasy ny Basikety : Hanatanteraka fivoriana, anio, ny eo anivon’ny FMBB eny amin’ny foibeny etsy 67 ha. Fivoriana handinihana ny tohin’ny raharaha ho an’ny federasiona mahakasika ny fifaninanana sy ny fepetra mety horaisina vokatry ny fikorontanan’ny tetiandro 2020 noho ity tsimokaretina Coronavirus ity. Tsiahivina, maro ny fifaninanana tsy tanteraka ho an’ny taranja basikety ary saika tany amin’ny faritra avokoa no hanaovana izany.

Basikety-Fiofanana: Efa miatrika fanomanana ny fiofanana hatao amin’ny fiandohan’ny volana jolay izao, amin’izao fotoana izao, ireo mpanazatra malagasy. Fiofanana izay sitrahan’izy ireo avy amin’ny Fiba ka miisa 20 mianadahy no mahazo izany, raha ny fanazavana. Etsy an-kilany, hifarana anio kosa ny fiofanana ho an’ny mpitsara lalao izay nanomboka ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny foiben’ny FMBB 67 ha.

 

Nangonon’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.