Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lehilahy miisa telo voasambotry ny polisim-pirenena, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teny Andohatapenaka. Izy ireo izay voasambotra noho ny fivarotana sy ny fifohana rongony ka nampitaraina ny olona eny an-toerana. Taorian’ny paik’ady nataon’ny polisy, tra-tehaka teo am-pikirakirana rongony ireo lehilahy. Rongony miisa fito fonosana ny tratra teny amin’izy ireo tamin’izany. Nambaran’ny polisim-pirenena hatrany fa mpivarotra ny iray amin’izy ireo raha mpanjifa kosa ny roa hafa.

Zazavavikely iray vao 10 taona maty tsy tra-drano voahitsaky lamasinina, ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny PK 212+900, ao anelanelan’i Lohariandava sy i Fanasana, distrikan’i Brickaville. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisin’ny Gara ao Moramanga, lamasinina nitondra vehivavy saro-piterahana ho any Brickaville ilay nahavanon-doza. Nentina nialana nenina teny amin’ny hopitaly ao Brickaville, saingy tsy avotra intsony ny ainy.

 

Les commentaires sont fermées.