Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Frantsa: hiverina ao amin’ny FC Lorient i Morel

Kitra any Frantsa: hiverina ao amin’ny FC Lorient i Morel

Araka ny vaovao navoakan’ny gazety L’équipe, fantatra fa hiverina hilalao ao amin’ny ekipan’ny FC Lorient, namolavola azy, ilay vodilaharana malagasy, i Jeremy Morel. Tapitra amin’ny 30 jona mantsy ny fifanarahany amin’ny Stade Rennais, tsy nisy fanaovazana intsony. Marihina fa efa 36 taona i Morel ankehitriny ary ao amin’ity ekipa niandohany ity no hamaranany ny filalaovany baolina. Roa taona ny fifanarahana hilalaovany ao amin’ny FC Lorient, izay vao avy nahazo ny tapakila hiakarana ao amin’ny “Ligue 1”. Hiaraka amin’i Thomas Fontaine, vodilaharan’ny Barea de Madagascar, ao izany i Morel. Raha tsiahivina, ny taona 2003 ka hatramin’ny 2011 no nilalaovan’i Morel, tao amin’ny FC Lorient. Taorian’izay, nifindra tao amin’ny Olympique de Marseille izy. Nanatevina ny Olympique Lyonnais indray ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019 ary tao amin’ny Stade Rennais ny farany teo. Im-28 ny isan’ny lalao nataon’i Morel, tao amin’ny Rennes. Ankoatra izay, mbola anisan’ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis hanatevina ny Barea de Madagasar i Jeremy Morel, eo amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena miandry an’i Madagasikara: ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny ho tompondaka eran-tany. Efa nahatafiditra baolina iray izy, tamin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2021”, nandritra ny fihaonan’ny Barea tamin’i Niger, ka nivoahan’ny Malagasy ho mpandresy, tamin’ny isa 6 no ho 2.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.