Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nandray fepetra ny mponina eny amin’ny tohatohabato Tavao mampitohy an’Ambohijatovo sy i Faravohitra fa tsy azo ikotranana intsony eny. Manakorontana ary tsy manaja fiarahamonina ireo tanora manao fampiasam-batana eny. Manangona jiolahimboto sy tontakely izy ireo nanao fitarainana tamin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny mponina. Nirotsaka avy hatrany ireo mpitandro filaminana nisambotra ireo mbola ninia nanohitra.

Mihamafy ny tsiokan’ny Alizay amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana miaraka amin’ny rivotra 50 hatramin’ny 60km/ora. Hitohy ny hatsiaka hatramin’ny anio. Ho mafy ny rivotra amin’ny afovoan-tany, i Sofia, Alaotra, ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy ary ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana.

Tatiana 

Les commentaires sont fermées.