Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifanaraham-piaraha-miasa: mety tsy ho foana ny fanohanana ny fanatanjahantena

Miatraika hatrany amin’ny mpanohana fanatanjahantena na ireny “sponsors” ireny ny krizy ateraky ny tsimokaretina Coronavirus sy ny tsy fahafahana manatanteraka hetsika fanatanjahantena, noho ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena. Araka ny fanadihadiana natao tamina orinasa sasantsasany manohana ireo federasiona sy ligy, mety hanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa efa vita izy ireo, raha mbola mitohy izao toe-draharaha. Tsy mifanaraka mantsy ny tolotra sy ny tinady ka maty antoka izy ireo, raha ny fanazavana hatrany. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fifanarahana voarakitra an-taratasy, toy ny fampiasana ny sary famantaran’ny orinasa amin’ny hetsika fanatanjahantena sy ny fanaovana dokambarotra. Saika mihemotra sy foana avokoa mantsy ireo fifaninanana amin’ny taranja rehetra amin’ity taom-pilalaovana ity kanefa efa vita tamin’ny fiandohan’ny taona avokoa ny fifanarahana. Efa nisy ihany koa ny vola nomen’ireo mpanohana ho takalon’ny fanaovana doka. Iaraha-mahalala anefa, hoy hatrany izy ireo, ny fahasahiranana atrehin’ny mpandraharaha sy ny orinasa amin’izao vanim-potoana sarotra izao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.