Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bras de fer – Afrika: mihantona avokoa ny fifaninanana

Bras de fer – Afrika: mihantona avokoa ny fifaninanana

Misedra olana, toy ny taranja rehetra, ihany koa ny taranja bras de fer amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena rehetra maneran-tany izao. Fantatra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, taorian’ny fivoriambe nataon’ny firenena 26 mandrafitra ny federasiona afrikanina ny taranja bras de fer, fa mihantona vokatry ny tsimokaretina Coronavirus ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, nokasaina hatao ny volana jolay izao, any Ghana. Tsiahivina fa isan’ny nanatrika ity fivoriambe ity tamin’ny alalan’ny “Vidéo Conférence” ihany koa i Madagasikara, izay marihina fa vao niditra tamin’ity taona ity ao anatin’ny rafitra afrikana ny taranja bras de fer. Vao tsy ela rahateo no nisy manampahaizana vahiny tonga teto amintsika nanome fiofanana ireo teknisianina malagasy mahakasika ity taranja ity. Tsara ihany koa ny manamarika fa komisiona iray vao natsangana ary mivondrona ao amin’ny FMHMC (Fédération malagasy d’haltérophilie, de musculation et de culturisme) ity taranja iray ity.

Raha hiverenana ilay fivoriambe tontosa ny alahady lasa teo, tapaka nandritra izany fa mitohy ny fampandehanan-draharaha eo amin’ny taranja bras de fer eto Afrika, mandra-pahatonga ny daty vaovaon’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.