Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra 

Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisim-pirenena, omaly, mitotaly 10 ireo trangana halatra niseho nandritra ny andron’ny alahady sy ny alatsinainy pantekoty  teo. Tao anatin’izany ny halatra tsotra miisa enina, ny halatra moto iray, ary ny fanendahana. Vokany, niisa 135 ireo nanaovana fanadihadiana. Miisa efatra kosa ny ireo lozam-pifamoivoizana voaray nandritra ireo roa andro ireo. Dimy ny fitambaran’ny naratra tamin’izany. Tsy nisy ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona.

 

Nitrangana fanafihan-jiolahy, omaly vao maraina, tao amin’ny fokontanin’Avaradrova Ambovombe-Androy, tokony ho tamin’ny 1 ora sy 30 mn. Tranombarotrana teratany karana iray ny lasibatr’ireo dahalo nirongo basim-borona. Nirefodrefotra ny basy ary tsy nahasahy nivoaka ireo mponina ao an-toerana. “Niantso zandary ireo lasibatra kanefa tsy nivoaka tamin’izany izy ireo”, hoy ny loharanom-baovao iray. Taorian’ny fifampitifirana nataon’ireo dahalo sy ireo tompon-tsena, nitsoka kosa ireo olon-dratsy ary tsy nisy ny lasan’izy ireo.

Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.