Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tahotry ny hanaovana andrana: malaina manatona dokotera ny marary

Betsaka ireo marary lasa manao dokotera tenany amin’izao fotoana izao. Na voan’ny gripa mahery, efa mikohaka sy manavy aza, tsy sahy manatona dokotera sao heverin’ny dokotera ho mararin’ny Covid-19.

Mampiasa ny karazana fitsaboana nentim-paharazana toy ny evoka sy ny tambavy ho fitsaboana ny aretina fa tsy sahy mandeha dokotera.

Anisan’ny mampatahotra ny marary ny hanokana-monina azy ireo raha sanatria ka Covid-19 ny mahazo azy. Mandoto ny sain’izy ireny koa ny zava-misy voizina fa hanaovana fanandramana amin’ilay fitsaboana vaovao na tsindrona izay mararin’ny Covid-19 ka miteraka tahotra izany. Aleon’ny marary mihafy ao an-trano, miafina mihitsy aza tsy ho fantatry ny olona hoe marary sao iantsoan’ny fiarahamonina dokotera eo ka ho isan’ny hanaovana fanandramana.

Mamely rahateo ny gripa sy ny sery ary ny kohaka amin’izao fotoana hidirana amin’ny hatsiaka izao. Manaporofo izany ny filaharambe eny amin’ny tobim-pahasalamana ka ilazan’ny dokotera fa ny fiovaovan’ny hatsiaka sy ny hafanana no mahatonga ny gripa amin’izao fotoana izao. Tsy voatery ho Covid-19 anefa ireny fa gripa tsotra toy ny mahazatra ihany. Anisan’ny tena voa ny ankizy madinika.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.