Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Ntsay Christian  : « Telo hetsy ireo marary ary 500 isan-taona ny matin’ny tazo”

Praiminisitra Ntsay Christian  : « Telo hetsy ireo marary ary 500 isan-taona ny matin’ny tazo”

Niompana tamin’ny fitantanana ny Covid-19 sy ny fitaovana ara-pahasalamana ny ankamaroan’ny fanontanian’ny loholona teny Anosy, omaly.

Efa naparitaka amin’ny distrika sivy manana olana amin’ny tahirim-panafody ACT hitsaboana ny tazomoka ny fanafody ahitana fatra 6 tapitrisa, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly teny Anosikely, raha namaly ny fanontanian’ny loholona. Manana tahiry 9 tapitrisa sy sasany ny fanjakana amin’ny fanafody ka ireo distrika nahitana marary sy olona maty no natao laharam-pahamehana. 300 000 amin’izao fotoana izao ireo marary ary 400 hatramin’ny 500 isan-taona ireo maty vokatry ny tazomoka ka tsy maintsy nihetsika ny fanjakana nizara fanafody hitsaboana sy ho fiarovana ho an’ireo tsy mbola marary. Ny faritra atsimo no tena anisan’ny lasibatry ny tazomoka nanaovana ny hetsika fizarana fanafody faobe ho an’ny zaza enim-bolana hatramin’ny olon-dehibe.

Anisan’ny fanontaniana napetraky ny loholona koa ny fitantanana ny valanaretina Covid-19. Fitiliana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny ampiharina eto amintsika momba ny TDR na ny PCR ary atao amin’ny olona tokony hanatanterahana azy. Manaraka lamina izany ka tokony hitovy ny fijerin’ny rehetra manoloana ny valanaretina. Nanafatra fitaovana manampy amin’ny fisefoana (respirateur) ny fanjakana ary efa nampiasaina eto Antananarivo sy any Toamasina ny milina efa tonga eto amintsika. Efa nozaraina koa eny amin’ny toeram-pitsaboana sy ny hopitaly manerana ny Nosy ny fitaovam-piarovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpisehatra mifandray amin’ireo marary na ahina.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.