Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihanaky ny valanaretina : miisa 15 ireo nifindran’ny Coronavirus eny Fenoarivo

15 ireo olona mitondra ny Coronavirus ao anatin’ny kaominina Fenoarivo. Efa tonga nizara tambavy CVO isan-tokantrano teny an-toerana ny tompon’andraikitra ary mivezivezy tsy tapaka ny fiara mpitondra marary. Avy ao amin’ny fokontany Ambany Avaratra Antsahavory ilay tranga voalohany nitondra ny tsimokaretina Coronavirus ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antsimondrano. Nitombo niandalana ny olona voatily fa voan’ny Covid-19 monina ao amin’io fokontany io. Vokany, lasa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina avy ao izay zava-misy izay, “tsy mety intsony mandray azy ireo hiasa ny olona ao an-tanàna noho ny tahotra hifindran’ny tsimokaretina”, hoy ny fitarainany. Ireo mivarotra anana sy legioma ao an-tsena, tsy misy mpanontany intsony ka lasa sahirana ireo tokantrano mitady ny hivelomana isan’andro. Ailiky ny fiarahamonina izy ireo. Ho an’ny fampianarana, miato tanteraka ny fanohizana ny fandraisana ny mpianatra ary nanaovana fitiliana ny mpiara-mianatra amin’ny zazalahy roa voalaza fa voan’ny Covid-19. Ao an-tsena, ireo mpivarotra ny entana ilaina toy ny sakafo ihany sisa nahazo nisokatra noho ny fitombon’ny tranga voatily.

Vonjy         

Les commentaires sont fermées.