Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cisco Atsimondrano: hiroso amin’ny CEPE andrana

Cisco Atsimondrano: hiroso amin’ny CEPE andrana

Manao vinavina hanatanteraka CEPE andrana, ny herinandron’ny 15 jona ho avy izao, ny Cisco Atsimondrano, manana Zone d’administration pédagogique 20, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Cisco, omaly. Mivory miaraka amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena ny mpiandraikitra ny Zap isanisany manazava ny fizotry ny andrana sy manentana ireo sekoly tsy miankina vonona handray anjara. Laza adina tokana ho an’ny Cisco no iaraha-manao ary efa vonona izany amin’izao fotoana izao. Ny fitsarana ny kopia kosa, samy mamita ny azy ny isan-tsekoly. Ho an’ny ao Atsimondrano, efa vita ny fandaharam-pianarana ka ny famerenana sisa atao masaka. Fitsapana ny fari-pahaizan’ny mpiadina rahateo ny andrana entina hanitsiana ny lesoka. “Matetika, ny taranja fototra kajy sy lazaolana ary ny français no mametraka olana amin’ny mpianatra”, hoy ny mpanabe.

Miandry ny toromariky ny filoha momba ny hamehana ara-pahasalamana ny fanatanterahana ny andrana fa efa vonona hiroso ny tomponandraikitra rehetra. Manodidina ny 15 000 ny isan’ny mpianatra hiatrika ny andrana.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.