Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe : hahemotra amin’ny 2021 ny Mondial

Tsipy kanetibe : hahemotra amin’ny 2021 ny Mondial

Noho ny tsy  mbola fahalalana marina ny fotoana hahataperan’ny valanaretina coronavirus, izay mamely ny firenena maro manerana izao tontolo izao, notapahin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIPJP) fa hahemotra amin’ny taona ho avy, 2021 indray ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy lehilahy olon-telo miaraka. Tsy miova ny firenena hampiantrano izany fa ao Lausanne, Soisa hatrany. Ny 15 ka hatramin’ny 18 jolay 2021 no hanatontosana izany. Mpilalao 200 mahery avy amin’ny firenena 48 mpikambana eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena no handray anjara sy hiady izay ho lohany amin’io. Tsiahivina fa tokony hotontosaina ny 16 ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao, ity andiany faha-49 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ity. Ny lalao ho an’olon-telo miaraka sy fifaninanana mitifitra “tir de precision” no hiadiana medaly volamena amin’io. Marihina fa efa nanafoana ny fiadiana ny ho tompondakany ry zareo any Frantsa ary tsy misy torak’izany koa ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Eoropa. Voakasik’ity fanemorana ity ihany koa ireo kaonfederasiona samihafa, toa an’i Afrika sy Amerika ary ry zareo any Azia.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.