Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tantara fandefa amin’ny Radio: mikarakara lalao amin’ny Facebook ry Voamboana Varongy

Tantara fandefa amin’ny Radio: mikarakara lalao amin’ny Facebook ry Voamboana Varongy

Tahalan’ny Tantara an’Onjampeo”, vondrona natokana ho an’ny tantara fandefa amin’ny Radio sy ireo manodidina azy sady sehatra ifaneraseran’ny samy mpankafy tantara sy amin’ireo mpanoratra, mpilalao ary mpanatontosa. Tahaka ny kolontsaina rehetra, mila fanetsehana koa ny tantara fandefa amin’ny Radio mba hahavelona azy mandrakariva ao am-pon’ny mpihaino, raha ny fanadihadiana nataon-dry Voamboana Varongy sy ny namany. Hikarakara lalao ao anaty tambajotran-tserasera facebook ny vondrona Tahalan’ny Tantara an’Onjampeo ho fanetsehana hatrany ny sehatry ny tantara fandefa amin’ny Radio. Anisany fanomezana omanin’izy ireo amin’izany ny fanatrehana mivantana ny fanodinana ireny tantara an’onjampeo ireny satria maro koa ireo mangetaheta ny hahita ny endrik’ireo mpilalao tantara.

Mora kokoa ho an’ny ankabeazan’ny olona mantsy ny mihaino Radio noho ny mamaky boky ka heverina fa sady fitaovam-panabeazana no fampialam-boly manakaiky vahoaka tokoa izy io, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara..”Midika izany fa mbola mahazo toerana tsara eo amin’ny sahan’ny zavakanto ity literatiora ity ary tsy mitsaha-miroborobo. Porofo, mitombo isa hatrany ireo Radio ahenoana tantara. Toraka izany koa ny mpanoratra sy ny mpilalao”, hoy i Voamboana Varongy.

Narilala sy HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.