Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Prix Marc-Vivien Foé»: mpilalao 11 hiady ny amboara

Hanamarika ity volana jona ity eo amin’ny baolina kitra ny fiadiana ny amboara ho an’ireo mpilalao afrikanina, izay mendrika handrombaka ny “Prix Marc-Vivien Foé”. Fifaninanana, karakarain’ny onjampeo Radio France Internationale sy ny France 24. Hifaninana amin’izany ireo mpilalao afrikanina niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa (Ligue 1). Miisa 11 ireo hiady izay hahazo izany, ho an’ity taona 2020 ity. Tsiahivina fa ireo nahavita lalao mihoatra ny 15 tamin’ny “Ligue 1” ary voantso tao amin’ny ekipam-pireneny no azo fidiana amin’ity fifaninanana, ity.

Ho fantatra ny 29 jona ho avy izao izay hahazo ity loka “Prix Marc-Vivien Foé” ity.

Tompondaka

 Ireo mpilalao 10 hiady ny « Prix Marc-Vivien Foé» :

1-Yunis Abdelhamid (Maraoka / Stade de Reims), vodilaharana 32 taona.

2-Denis Bouanga (Gabone / AS St Etienne), lohalaharana 25 taona.

3-Andy Delort (Alzerianina / Montpellier), lohalaharana 28 taona.

4-Habid Diallo (Senegale / FC Metz), lohalaharana 24 taona

5-Idrissa Gueye (Senegale / Paris St Germain), irakiraka 30 taona.

6-Edouard Mendy (Senegale / Stade Rennais), mpiandry tsatoby 28 taona.

7-M’Baye Niang (Senegale / Stade Rennais), lohalaharana 25 taona.

8-Victor Osimhen (Nizerianina / Lille), lohalaharana 21 taona.

9-Moses Simon (Nizerianina / FC Nantes), irakiraka 24 taona.

10-Islam Slimani (Alzerianina / AS Monaco), lohalaharana 31 taona

11-Hamari Traoré (Malianina / Stade Rennais), vodilaharana 28 taona.

Les commentaires sont fermées.