Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety: nanomboka omaly ny fiofanana Fiba

Nanomboka omaly, ilay fiofanana omen’ny Fiba ny mpitsara lalao, tanterahina eny amin’ny foiben’ny Federasiona malagasy ny basikety, eny 67ha. Fiofanana atao amin’ny fifandraisan-davitra na “formation en ligne” no hampitaina amin’ireo mpiofana. Miisa 20 ireo mpitsara lalao misitraka izany rehefa avy nanaovana sivana tamin’ireo mpitsara malagasy maro nandefa ny antontan-taratasy nisafidianana.

Tsiahivina, haharitra efatra andro ny fifampizarana izay nanomboka omaly, hitohy anio, amin’ny alakamisy ary ny zoma hoavy izao. Mbola hisy ihany koa ny fiofanana ho an’ny mpanazatra izay mbola hotapahana ny daty hanaovana izany, raha ny fanazavan’ny sekretera Jeneraly ny CRA Analamanga, i Hasina Fanantenana. Natao izao fiofanana izao hampitomboana ny traikefan’ireo mpitsara sy mpanazatra eto Afrika, eo amin’ny taranja basikety ary hahatonga azy ireo ho lasa mpitsara lalao sy mpanazatra iraisam-pirenena.

 

Mi.Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.