Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andohatapenaka II: lehiahy maty tsy tra-drano nofaohin’ny 4X4

Lehilahy iray manodidina ny 43 taona, maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana, ny asabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora. Teny Andranoambo, fokontany Andohatapenaka II, atsinanan’ny kianjan’ny Maki no nitrangan’ny loza. Niampita arabe hamonjy ny « cité Ravalomanana » izy io ka voafaokan’ny fiara 4×4 miloko fotsy. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana, nandeha mafy ilay fiara noentina karana ka nandona ilay lehilahy. « Voatarik’ilay fiara ilay lehilahy ary efa lasa lavidavitra vao votsotra », hoy ny filazan-dRakotomalala Désiré, mponina eny Andranoambo. Notohizany fa voadona mafy tamin’izany ny lohany ary mbola tapaka koa ny tongony. Antony nitarika ny fahafatesany teo no ho eo izany.  « Voasariky ny lohan’ilay 4×4 ilay lehilahy ka nihintsana nandritra izany ny « plaque d’immatriculation » an’ilay fiara. Izay no nahitana ity farany teto an-toerana », hoy kosa Randriamanampisoa Njakatiana Ruffin. Taorian’ny loza, mbola nitsoaka nihazo ny tobin-tsolika eny Andohatapenaka ilay nahavanon-doza. Ary nampandre ny namany avy hatrany ny polisy iray mipetraka eny amin’ny cité Ravalomanana. Tratra teny Ankazomanga ilay fiara. Fotoana fohy taorian’ny tranga, tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra ny BMH naka ny vata-mangatsiakan’ilay lehilahy. Ary hita tamin’izany ny telefoniny, ka nampandrenesina ny fianakaviany. Mipetraka eny Avaratr’Ankatso ity lehilahy niharan-doza ity.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.