Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambulance nitondra mpandeha: naiditra eny Antanimora ilay mpamily

Nidoboka avy hatrany eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny asabotsy teo ilay mpamilin’ny ambulance saron’ny zandary teo Ampihaviana Antsirabe  raha nikasa hitondra mpandeha an-tsokosoko hiakatra aty an-drenivohitra, ny 26 mey 2020 lasa teo. Vesatra niampangana ity mpamily nanao fandikan-dalàna ity ny fanararaotam-pahefana, kolikoly, ady tombontsoa amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Natolotra avy hatrany teny anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ilay mpamily, taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy izao. Tsiahivina fa hentitra tanteraka ny eo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra amin’ny fanaraha-maso ireo fiara mifamezivezy amin’iny lalana iny, indrindra amin’izao fiparitahan’ny coronavirus izao. Nandritra ny fisavana mahazatra fanaon’ny zandary no nahitana ity fiara fitondrana marary ity niantsona teo Ampihaviana Antsirabe miaraka tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Olona salama tsara fa tsy marary no tao anatin’ilay fiara tamin’io fotoana io. Raha tsy misy ny fiovana, hotsaraina ny 16 jona ho avy izao ity raharaha ity ka amin’izay no hamantarana ny marina rehetra.

J.C

Les commentaires sont fermées.