Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambilobe: sarona ny alan-drongony 50ha sy rongony maina iray taonina

Mitohy hatrany ny ady amin’ny fambolena sy fivarotana ary fifohana zava-mahadomelina “Jamala”. Alan-drongony 50ha no saron’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe tao amin’ny toerana antsoina hoe Andohanifasibe sy Andranomora ary Andohanifasy, fokontany Ambanikibo, kaominina ambanivohitr’Anaborano-Ifasy, distrikan’Ambilobe nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’izy ireo, nanomboka ny 24 mey 2020 teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary nandritra ny hetsika nataon’izy ireo, fototra rongony mahatratra 72 000 no nongotana, rongony efa maina milanja iray taonina sy sasany sy voan-drongony milanja 200kg no indray tratra tao an-toerana. Nodorona avy ireto zava-mahadomelina ireto.

Nohamafisin’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa olona mpivahiny avy any amin’ny faritra Sava no tompon’ireo volin-drongony midadasika be ireo, saingy tsy tratra teny an-toerana ilay tompony. Tsy sasatra ireo zandary namotika ireo alan-drongony satria nahatsapa izy ireo fa ny zava-mahadomelina no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tsy vao izao fa efa nahitana tanin-drongony amina hekitara maro tratran’ny zandary toy izao koa tao amin’ny distrikan’Ambilobe ihany.

 J.C

 

Les commentaires sont fermées.