Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

“Voasazy handoa onitra mitentina 200 000Ar ireo mpamily nitondra olona avy any Fianarantsoa ho any Mananjary”, hoy ny loharanom-baovao iray. Nambaran’ity farany fa niakatra fitsarana tao Mananjary ny raharaha, afakomaly, ka nilatsaka ny didy fanasaziana ireo mpamily fitateram-bahoaka roa lahy. Tsiahivina fa ny 22 mey tamin’ny 8 ora alina ireo fiara ireo no niala an’i Fianarantsoa nihazo an’i Mananjary. Tao Irondro, kaominina Antsenavolo, izy ireo no tratran’ny mpitandro filaminana.

Tokantrano kely iray eny Analamahitsy niharan’ny fahamaizana, omaly maraina. Tsy nisy afa-tsy ireo ankizivavikely telo mirahavavy ny tao amin’ilay trano hazo nandritra ny loza. Nifanome tanana namono ny afo ireo mpiara-monina ka voafehy izany na teo aza ny fahasimbana. “Afon-dabozia ny nitarika ny loza”, hoy ny loharanom-baovao iray.
Nangonin’i Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.