Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PM Ntsay Christian – Vidin-tsolika: “Amin’ny septambra vao mety hihena”

PM Ntsay Christian – Vidin-tsolika: “Amin’ny septambra vao mety hihena”

Anisan’ny nanazava ny mikasika ny vidin-tsolika tsy azo ahena ny Praiminisitra Ntsay Chrsitian, ny alakamisy teo, nandritra ny fihaonany tamin’ny depiote. Nambarany fa tsy azo atao izany amin’izao fotoana izao, na efa nidina be aza ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, satria mbola ananan’ny mpandraharaha solika trosa manodidina ny 170 miliara Ar ny fanjakana. Amin’ny volana septambra na oktobra ho avy izao vao mety ho voaloa io trosa io ka amin’izay vao azo antenaina fa hidina ny vidin-tsolika.

Ankoatra izany, nanamafy koa ny tale jeneralin’ny Ofisy malagasy misahana ny solika (OMH) fa nihena 30 hatramin’ny 40% ny fanjifana solika eto Madagasikara, hatramin’ny nisian’ny fepetra fihibohana, tato anatin’ny roa volana mahery. Mila mitandrina sady tsy mora ny mandray fanapahan-kevitra satria tsy mety amin’ny mpanjifa, indrindra ny orinasa, ny vidin-tsolika miovaova matetika. Nahatratra 140 miliara Ar ny trosan’ny mpandraharaha amin’ny fanjakana hatramin’ny desambra 2019.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.