Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Tanora: lomana ny aorian’ny fihibohana 

Na eo aza ny fihibohana, efa manomana sahady ireo tetikady hoentina rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena ry zareo eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy mandry andro ary tsy mandry alina avokoa ireo mpiasam-panjakana eo anivon’ity minisitera ity, mitady ny fomba handrindrana izany rehetra izany. Tsorina, tena ho be raharaha ara-bakiteny tokoa izy ireo amin’izany fotoana izany ary tsy misy intsony fotoana hipetrapetrahana. Isan’ny tena asa miandry azy ireo, ohatra, ny fivoriambe fanao ara-potoana ny federasiona, izay raha ny vaovao, miankina amin’ny fandaharam-potoana avy amin’ireny  federasiona ireny ny handaminan’izy ireo izany. Ankoatra izay, mbola asa miandry ny minisitera ireo karazam-pifaninanana hataon’ireny federasiona rehetra ireny avy eo, izay mbola baraingo ihany koa satria misy ny mety tsy hanao na hanohy izany intsony, misy kosa ireo mbola hanatanteraka ny fifaninanana tsy vita rehetra teo anivony ary mbola hanatontosa izany. Ny fanomezana sy fitsinjarana ireo fotodrafitrasa, toy ny kianja mitafo sy ny lapan’ny Fanatanjahantena amin’io, manginy fotsiny, izay mety hampimenomenona ireo federasiona rehetra ny fahazoana izany. Antenaina fa efa tafiditra anaty tetikady homanin’ny eo anivon’ny minisitera izany rehetra izany.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.