Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatanjahantena: mety mbola ho sarotra ny hiverenany

Samy miandry ny lahatenin’ny filoham-pirenena avokoa ny rehetra rahampitso. Tsy diso anjara amin’izany ny tontolon’ny fanatanjahantena. Tsiahivina fa efa natsahatra ny 22 marsa lasa teo avokoa ireo famoriam-bahoaka sy fikarakarana hetsika fanatanjahantena, niato efa roa volana teo ny hetsika rehetra mahakasika izany. Miandry sy manantena, noho izany, ireo mpitantana federasiona, ny atleta sy ny mpikirakira fanatanjahantena eto Madagasikara ny amin’ny mety hivahan’ny fepetra, saingy raha ny zava-misy tato ho ato, mahakely finoana ihany izany. Somary nitombo, mba tsy hilazana hoe nirongatra tokoa, mantsy ny tsimokaretina tao anatin’ny andro vitsivitsy izay ka mahatonga ny maro sahady hamisavisa fa mety mbola hitohy sy hihatra hatrany ireo fepetra. Isan’ny tsy afa-miala amin’izany ny eo anivon’ny fanatanjahantena, toy ny tsy maintsy hanaovana arovava kanefa mila miaina tsara amin’ny vava tsy misy sakantsakana ny fanaovana fanatanjahantena. Eo ihany koa ny elanelana iray metatra kanefa maro ireo taranjam-panatanajhantena tsy maintsy mitankosina sy mifandray mihitsy vao azo atao. Ny fanasana ny tanana amin’ny savony na ny fampiasana ireny « gel hydroalcoolcique » ireny kanefa ny an’ny ady totohondry ary tsy maintsy manao « gants » rehefa hiakatra ringa. Ho sarotra, saingy afaka manantena toy ny rehetra ihany koa ny mpanao fanatanjahantena.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.