Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CEO Cnaps: fianakaviana 112 nahazo ny karatra Afafi

CEO Cnaps: fianakaviana 112 nahazo ny karatra Afafi

Laharam-pahamehana ho an’ny tale jeneralin’ny Cnaps, Rakotondraibe Mamy, ny fitsinjovana ny mpikambana. Natao, omaly teny amin’ny Ivontoerana Haino aman-torolalana (CEO) Cnaps 67 ha, ny fizarana ny aron-tava hisorohana ny Coronavirus, sady nizarana ny karatra Afafi (Aro amin’ny fahasalaman’ny fianakaviana) ho an’ny fianakaviana marefo miisa 112. Nilaza Rakotomalala Yvan, talen’ny hetsika ara-pahasalama sy ara-tsosialy Cnaps, fa « andiany faharoa ity natao ity fa efa nisy 105 nahazo ny karany ny febroary 2020 teo. Iantohan’ny Cnaps ny latsakemboka 1 500 Ariary, arotsaka any amin’ny Afafi mandritra ny enim-bolana voalohany hahazoan’ny mpikambana fiahiana fahasalamana. Manomboka amin’ny desambra 2020, ny mpikambana no mandoa ny latsakemboka 1 000 Ariary ary ny Cnaps hatrany ny miantoka ny 500 Ariary ». Manomboka ny 1 jona 2020, hahazo fihenam-bidy ireto fianakaviana 112 ireto rehefa mandeha dokotera na hividy fanafody, na koa miditra hopitaly, amin’ny faritra maromaro miara-miasa amin’ny CEO Cnaps.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.