Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bemidin’ny polisy: mpanao sinto-mahery voasambotra  

Bemidin’ny polisy: mpanao sinto-mahery voasambotra   

 

Jiolahy miisa valo indray voasambotry ny polisy teo amin’ny Esplanade Analakely, afakomaly, voarohirohy amina halatra miharo fidorohana zava-mahadomelina. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny talata 26 mey lasa teo, naharay fitoriana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany Analakely (CSP1) momba ny fahaverezana telefaonina avolenta tao anatina fiaran’olona iray nijanona teo amin’ny Esplanade. Nanokatra avy hatrany fanadihadiana ny polisy ka nandritra ny fanambarana nataon’ny mpitory ny nilazany fa ireo mpiambina parking eo akaiky eo ihany no nahavita nanao izao asa ratsy izao. Nampiantsoina tao amin’ny biraon’ny polisy ireo mpiambina miisa telo lahy nanaovana famotorana ka nanondro ny vadin’ilay mpangalatra izay tsy lavitra teo fa mivarotra lamba eo akaiky eo ihany. Rehefa nampiantsoina tao amin’ny biraon’ny polisy ilay ramatoa, nanondro ny tranon’izy ireo eny Tanjombato. Nambaran’ny polisy fa efa manam-baovao momba ity jiolahy rahateo izy ireo satria isan’ny ikoizana amin’ny halatra sy ny sinto-mahery eo Analakely izy ary mampikaikaika ireo olona mpiantsena. Nidina teny Tanjombato ny polisy ka tratra tao an-tranony ilay jiolahy. Nandritra ny famotorana azy ny nilazany fa niray tsikombakomba amin’ireo mpiambina parking izy momba izao halatra izao. Nanondro ireo olona mpandray ny entana halatra eny amin’ny IVO Isotry koa izy ireo taorian’izay. Tsy hita teny an-tranony anefa ilay mpandray halatra fa lehilahy mpifoka rongony no tratra tao.

J.C

Les commentaires sont fermées.