Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Nizeria: mbola hanazatra ny Super Eagles i Gernot Rohr

Nohalavain’ny federasiona nizerianin’ny baolina kitra (NFF) ho roa taona ny fifanarahany amin’ilay mpanazatra mizaka ny zom-pirenena alemà sy frantsay, i Gernot Rohr. Hosoniavina amin’ny herinandro ho avy io izany fanavaozam-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany.

Tanjon’i Gernot Rohr amin’ity ny hahatafita ny ekipam-pirenen’i Nizeria amin’ny “Can 2021” sy ny “Mondial 2022”. Tsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2016 ny nitantanan’i Gernot Rohr ny Super Eagles ka izy no nahatafakatra an-dry zareo Nizerianina niatrika ny dingana famaranana tamin’ny “Mondial 2018” sy ny “Can 2019”, natao tany Egypta, ka nahazoan’izy ireo ny medaly alimo.

Tsiahivina fa resin’ny Barea, tamin’ny isa 2 no ho 0, i Nizeria, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, nandritra ny “Can 2019”. Baolina matin’i Bolida sy ny “coup franc” nodakan’i Carolus ka nametraka ny Barea teo amin’ny laharana voalohany, tao amin’io vondrona niarahan’izy ireo io. Marihina fa manambady Malagasy ity mpanazatra ny Super Eagles ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.