Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 Nanolotra fanafody famonoana otrikaretina sy kojakoja fanadiovana ary fitaovam-piserana ho an’ny CCO, faritra Atsinanana, sy ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamana ao an-toerana ny tetikasa Impact, vatsin’ny USAID vola ary tanterahin’ny PSI Madagascar noho ny ady atao amin’ny Covid-19. Mitondra hatrany ny fanampiany ny USAID iadiana amin’ny valanaretina Covid-19 hahafahan’ny vahoaka hiaro tena sy hisoroka ny fihanaky ny aretina.

Ny alarobia teo, afaka tamin’ny fanadinana Delf Junior A1 hataon’ny Alliance Française any an-toerana ny ankizy tsy ampy dimy taona mifonja ao Marofoto, Mahajanga. Nanaraka fampianarana isaky ny alarobia, efa hatramin’ny volana febroary,  ireo tanora ireo na mifonja aza.

Misy tsy fahatomombanana ny “disjoncteur” mitondra ny zotra mpamatsy herinaratra miainga eny Itaosy ka mahatonga fahatapahan’ny famatsiana amin’ireto toerana ireto: i
Bemasoandro, Itaosy, Ambavahaditokana, Ampitatafika, i Vinany, Andohatanjona.
Efa eny an-toerana ny ekipa manao ny fanarenana ka rehefa vita izany, hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin’ireo toerana ireo.

Les commentaires sont fermées.