Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Espoirs Sportifs de Toliara: hanangana klioba amin’ny taranja maro

Espoirs Sportifs de Toliara: hanangana klioba amin’ny taranja maro

 

Tetikasa maro ny hotanterahina amin’ity taona ity ho an’ny fikambanana Espoirs sportifs de Toliara, araka ny nambaran’ny filoha mpitantana, i Vital Sergio Antonio. Vaindohan-draharaha amin’izany ny fananganana klioba amin’ny taranjam-panatanjahantena maro, toy ny basikety, ny volley, ny baolina kitra, ny handball, ny fibatana fonjamby, ny kick boxing sy ny maro hafa. Tao anatin’izay 5 taona niorenany izay, miezaka manitatra tsikelikely ny fikambanana amin’ny taranja hafa, ankoatra ny efa misy ao aminy, ny filoha mpitantana sy ny mpikambana rehetra ary vao nahavita “logo” vaovao izy ireo. Ankoatra izay, efa tanjona hatramin’izay ihany koa ny hamolavola taninketsa ka ho lasa atleta sangany ao aoriana.

Tsiahivina fa nitondra avo ny anaran’ny fikambanana tamin’ny fifaninanam-pirenena ny klioba BCEST(Basket club espoirs sportifs de Tuléar ), teo amin’ny sokajy « senior », vehivavy, ny taona 2016, sy ny taona 2019, nahavoahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny latsaky ny 14 taona. Antony nananganana ilay sekolin’ny taninketsa, natokana ho an’ny latsaky ny 12 taona lahy sy vavy, izany fahombiazana izany. Isan’ny manohana ity fikambanana ity ny fikambanana fanatanjahatena iray any Toulouse.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.