Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy nandaitra ny ody bala: mpimasy iray maty voatifitry ny zandary

Tsy nandaitra ny ody bala: mpimasy iray maty voatifitry ny zandary

Tafiditra amin’ny hetsika ataon’ny zandary ny fandringanana ireo mpimasy, anisan’ny ao ambadik’ireo jiolahy na dahalo. Tsy afa-bela tamin’izany rehefa nanaovana velam-pandrika ny  mpitana ody iray.

Maty voatifitry ny zandary, afakomaly tao Ambohiboho Manambolo Bekopaka ny mpimasy gagilahy sy mpiray tendro amin’ny dahalo. Nentina hanaovana vela-pandrika mba hahafahana misambotra ireo dahalo namany izy kanjo maty voatifitra raha nikasa hitsoaka, araka ny fanazavan’ny zandary. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany, anisan’ny mpimasy iray mpanome ody dahalo raindahiny ao amin’ny faritra Menabe sy Melaky ity voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Bekopaka ity, ny 24 mey lasa teo tao amin’ny fokontany Manavony.

Tsy nandaitra ny ody balany…

Fantatra nandritra ny famotorana azy  ireo mpiray tsikombakomba aminy ary efa maro ireo dahalo mpaka fanafody ao aminy sy taizany ary omeny ody bala sy tsilaiby. Notononiny nandritra ny famotorana azy i Danga sy i Venis, anisan’ny dahalo malaza ratsy ao amin’ny fokontany Ampagnarena Andimaka distrikan’i Belo Tsiribihina. Teo ihany koa izany i Kamavo sy Raina izany, anisan’ny ikoizana amin’ny fampihorohoroana amin’ny faritra Belo sy Bekopaka hatrany Ankavandra. Tsy niandry ela fa niainga avy hatrany, afakomaly ireo zandary niaraka taminy hanao ny fisamborana ireo dahalo namany voatonontonona ireo, kanjo maty voatifitra ity dadarabe ity rehefa nikasa hitsoaka, handositra. Tsy nandaitra, araka izany, ny ody balany.

J.C

Les commentaires sont fermées.