Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate: nodimandry teo amin’ny faha78 taonany i Sensei Michel

Karate: nodimandry teo amin’ny faha78 taonany i Sensei Michel

Very olomanga ary misaona tanteraka ny tontolon’ny Karate eto Madagasikara, indrindra ny klioban’ny Aska sy ny MJKA (Madagascar Japan Karate Association). Nodimandry teo amin’ny faha78 taonany, omaly, Razafinimanana Michel, antsoin’ny maro hoe Sensei Michel. Raha ny fanazavana, tamin’ny fiatombohan’ny fihibohana no efa narary ary efa nisy fotoana tratran’ny AVC izy, tohin’io aretiny io no nahatonga izao fahafatesany izao.

Izy dia filohan’ny klioban’ny Aska ary tena nahavita be teo amin’ity klioba ity, filoham-boninahitry ny MJKA (Madagascar Japan Karate Association) ihany koa izy. Tsisy tsy mahafantatra azy ny mpikatroka sy ny mpisehatra eo anivon’ity taranja ity. Tepana mainty 7e Dan Razafinimanana Michel ary 55 taona niangaliana ny taranja Karate. Efa nahazo ny “Ordre de mérite sportif” ihany koa i Sensei Michel. Raha ny filazan’ireo olona akaiky azy, olona tso-po tokoa i Sensei Michel fony fahavelony, olona manam-piniavana ary indrindra tia manampy ny mpiara-belona aminy. Efa maro ireo nampianariny teo amin’ny taranja Karate.

Araka ny fandaharam-potoana, rahampitso zoma no hiala ao amin’ny Dojo Aska 67ha ny razana ary hoentina any Ankadivoribe Atsimondrano, izay toerana handevenana azy.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.